Job 19

Ny teny navalin’ i Joba

1Dia namaly Joba ka nanao hoe: 2Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ ny fiteny? 3Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo. 4Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian’ ny fa hadisoako. 5Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra, 6Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin’ ny fandrika haratony. 7Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny. 8Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin’ ny lalana alehako. 9Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako. 10Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako. 11Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho. 12Miara-mandroso ny antokon’ ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko. 13Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa. 14Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy. 15Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho. 16Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin’ ny vavako aho. 17Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak’ ineny aho. 18Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny. 19Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko. 20Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra. 21Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan’ Andriamanitra efa mikasika ahy. 22Nahoana no manenjika ahy tahaka an’ Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin’ ny nofoko? 23Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin’ ny boky ireny! 24Enga anie ka ho voasoratra amin’ ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin’ ny vatolampy ho mandrakizay izy! 25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra
Heb Goela.
ahy, ka hitsangana any am-parany
Na: ho farany.
eo ambonin’ ny vovoka Izy.
26Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ ny nofoko aho, dia hahita an’ Andriamanitra
Na: Dia hahita an’ Andriamanitra amin’ ny nofoko aho.
;
27Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko
Heb voako.
ato anatiko.
28Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny
Heb anatiko.
ny fototry ny mahameloka azy
Heb ahy.
.
29Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
Copyright information for Mg1865